Fantatro izay onenanao, dia ao amin’ ny itoeran’ ny seza fiandrianan’ i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin’ ny andron’ i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin’ izay onenan’ i Satana.